Velona mandrakizay ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 29 Aprily 2020
DANIELA 4.31-34
DANIELA 4.31-34
31 Ary rehefa tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin'ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby; 32 ary ny mponina rehetra et? an-tany hatao tsinontsinona; ary manao izay sitrapony amin'ireo maro be any an-danitra sy amin'ny mponina et? an-tany Izy; ary tsy misy mahasakana Azy, na manao aminy hoe: Inona no ataonao? 33 Tamin'izay dia nody tamiko ny saiko, ary nody tamiko koa ny fahalehibiazako sy ny voninahitro ho tabihan'ny fanjakako, ary ny mpanolotsaiko sy ny andriandahiko nikatsaka ahy, ka nampitoerina teo amin'ny fanjakako aho, sady nanampy ho ahy ny fahalehibiazana malaza. 34 Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny fiavonavonana dia hainy aetry.Velona mandrakizay ny Tompo
1-Ny fahefan’olombelona dia misy fetrany ihany
Maro ireo mpitondra sy mpanjaka malaza tamin’ny fahefany sy ny voninahiny .Isan’izany i Nebokadnezara : na dia teo aza ny fahambonian’i Nebokadnezara dia nampahafantarin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Daniela fa azon’ny Tompo hatao ny maka ny fahefana eo am-pelatànany ary mamerina aminy indray izany fahefany izany . Midika izany fa na dia ny mpitondra heverina fa mpanao didy jadona toy inona aza dia eo am-pelatànan’ Andriamanitra ny fahefany sy ny fanjakany .Tokony hijery lavidavitra izany izay nomena andraikitra hitondra sy hitarika fa tsy ho variana hanapatra fahefana .Ny sasany aza ny lalàna napetrany hamoretana ny manohitra azy no nifototra taminy rehefa tsy eto amin’ny toerany intsony izy. Tsarovy fa tsy tombotsoa fa andraikitra ny fahefana ampindramina antsika mpitarika.
2-Ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay
Tsy mba toy izany kosa ny fahefan’ny Tompontsika . Voasoratra hoe: »Ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby » .miova izao rehetra izao , ry tsy miova ô , momba anay . Andriamanitra Tompon’ny tantara ny Tompontsika . Mijery lavitra Izy ka ny toromarika omeny antsika dia tsy vonjy tavanandro .Tsy mijanona amin’izay mahasoa anio ihany fa mikatsaka ny mahasoa ho an’ny taranaka mandimby ary ho fiainana maharitra mandrakizay .Toy izany koa ny tsodrano omeny dia mipaka hatramin’ny taranaka mifandimby .
Fanontaniana :
Inona avy ireo endrika fanararaotam-pahefana tokony tsy ho hita eo amin’ny kristiana mpitarika ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM