Velomy ny fanantenana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 24 Novambra 2022

ROMANA 8. 18-25

ROMANA 8. 18-25
18 Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika. 19 Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra; 20 fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana, nefa tsy noho ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky azy, 21 sady nahazo fanantenana koa fa* izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin'ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin'ny fahafahana izay momba ny voninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. [* Na: satria] 22 Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny; 23 ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan'anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. 24 Fa ny fanantenana no namonjena antsika; nefa ny fanantenana hita dia tsy mba fanantenana intsony; fa ahoana no mbola anantenan'ny olona izay efa hitany? 25 Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.

Velomy ny fanantenana

1-Na dia ratsy aza ny fiainana eto an-tany (and20,22,23)

Araka izany ny fiainana eto an-tany dia ratsy: ratsy fiafarana na ny olombelona na ny zavaboahary (and20) . Hoy ny Soratra masina : »zava-poana dia zava-poana ,eny zava-poana ny zavatra rehetra » (Mpit1.2).Miharihary ny maha-zava-poana ity fiainana ity rehefa tojo fahadisoam-panantenana fahafatesana ,na tsy fahafahampo manoloana ny lahatry ny zava-boahary hoe : »teraka,avy eo zaza,tanora,antitra , maty… ».Dia mipetraka ny fanontaniana manao hoe: Fa inona tokoa ny maha-izy ny fiainana? Na izany aza isika dia miandry ny fotoam-panavaozana (and19) ,manàna fanantenana fa mbola ho avy ilay fiainana mandrakizay izay hahatanterahan’ny teny fikasany.

2-Fa ny fanantenana no hamonjena antsika (and24)

Ny fanantenana no làlana iray hahazoana ny fiainana mandrakizay dia ny famonjena izany .Mila finoana sy fatokiana koa anefa izany ,satria ny fanantenana an’ny ho avy,izany hoe : tsy hita maso ,saingy inoana ny fisiany .Toy ny zanaka mino ny fampanantenan-dray aman-dreny anefa dia mety hivadibadika amin’ny teny omeny izy ireny noho ny antony samihafa. Ny Tenin’Andriamanitra kosa anefa dia mahatoky tokoa. Hoy ambaran’ny bokin’ny Ohabolana 23.18 « Raha mbola hisy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenanao« .Fanantenana : mitovy dika amin’ny » finoana » ihany no hamonjena antsika .Raha tsy manana izany isika dia tsy ho voavonjy mihitsy.Koa manàna fanantenana!

Fanontaniana :

Mifikitra kokoa amin’ny eto an-tany ve ianao sa manantena ny any an-danitraaa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM