Vavolombelon’ny Tompo ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Talata, faha 27 Jona 2017
Vavolombelon’ny Tompo ny Fanahy Masina
1 Samoela 10.9-13
9 Ary raha vao nihodina niala tamin'i Samoela izy, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo. 10 Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy. 11 Ary nony hitan'izay rehetra nahalala azy hatramin'ny taloha fa, indro, maminany eo amin'ny mpaminany izy, dia nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga amin'ny zanak'i Kisy izao? Saoly koa va mba isan'ny mpaminany? 12 Ary ny anankiray teo namaly hoe: Fa iza moa no rain'ireny? Ary izany no nisehoan'ny fitenenana hoe: Saoly koa va mba isan'ny mpaminany? 13 Ary rehefa nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin'ny fitoerana avo.Vavolombelon’ny Tompo ny Fanahy Masina
1 Samoela 10.9-13
Jehovah mandatsaka ny Fanahiny amin’i Saoly
1-Manome fo vaovao an’i Saoly
Manambara ny fanovan’ Andriamanitra ny maha-olona manontolo ny fanomzany fo vaovao . Hifamatotra amin’ Andriamanitra feno sy ho eo akaikiny i Saoly . Asan’ny Fanahy Masina ny manova fo . Tsy mari-pototra izany ny fiovan’ny toe-panahy sy ny toetran’ny olombelona raha tsy vokatry ny Fanahy Masina . Hitarika an’i Saoly hanaovany ny sitrapon’ Andriamanitra ny Fanahy Masina . Ireo zavatra nambaran’i Samoela mpaminany tamin’i Saoly , rehefa nifanena taminy izy dia tanteraka avokoa (and2 .3-4 -5 -6). Miankina tanteraka amin’ny Tenin’ Andriamanitra ny fanompoana izay horaisiny , tsy ondry iray intsony no hotadiaviny fa ny firenen’ Israely rehetra . Tendrena hanompo ny Tompo i Saoly mpanjaka .
2-Manendry an’i Saoly ho Mpaminany
Ataon’ny Fanahy Masina ho mpaminany i Saoly . Ny mpaminany dia tsy mpilaza ny ho avy fotsiny , fa ny fanambarana ny Tenin’ Andriamanitra mabontolo amin’ny fiainana manontolo . Tanteraka izany « rehefa nifanena tamin’ny mpaminany iray dia izy »(and10). Mialoha ny hampitoerana an’i Saoly ho mpanjaka dia nofenoina ny Fanahy Masina izy mba hitarika azy sady hankatoavany ny Tenin’ Andriamanitra . Tefena ho mpanompon’ny Tenin’ Andriamanitra aloha izy mba hahatsiarovany fa ny sitrapon’ ny Tompo no hotanterahany eo amin’ny fitarihany ny Zanak’ Israely
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM
……………………………………………………………………………………………………