Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 24 Desambra 2017
Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo
Jaona 3.16-21
16 Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. 17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. [*Gr. hitsara] 18 Izay mino Azy dia tsy helohina*; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka** rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra izy. [*Gr. tsaraina] [**Gr. voatsara] 19 Ary izao no fanamelohana*, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. [*Gr. voatsara] 20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. 21 Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany.Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Jaona 3.16-21
Tia antsika Andriamanitra 
1-Nanome ny zananilahy tokana Izy (and16)
Isika no tokony hohelohina ho faty noho ny fahotantsika , araka ny voasoratra hoe: « Fa fahafatesana no tambin’ny ota ... »Rom 6.23. Tsy foiny hisy ho any aamin’ny fahafatesana mandrakizay anefa isika . Nirahiny ny zanany ho ety amin’izao tontolo izao , dia i Jesoa Kristy . Izy no vavolombelon’ny fitavan’ Andriamanitra antsika , fa voasoratra hoe: « Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao , nomeny ny zananilahy tokana …(and16) . Ary koa : »Fa Andriamanitra tsy naniraka ny zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao , fa mba hamonjeny izao tontolo izao « (and17).
2-Manome fiainana mandrakizay Izy
« nomeny ny zananilahy tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy , fa hanana fiainana mandrakizay « . Fiainana mandrakizay no omen’ Andriamanitra antsika ary ao amin’ny zanany izany fiainana izany … » (1 Jao 5.11). Ny fanomezan’ Andriamanitra ny zanany dia fanomezana fiainana mandrakizay . Fa hoy Jesoa : « Izaho avy mba hananany fiainana , sady hananany be dia be » (Jao 10.10) . Ny hoe: « mino » dia manaiky fa i Jesoa irery no Ilay nirahin’ Andriamanitra ho Mpamonjy sy mpanavotra antsika . « Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana , tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalany » (Jao 14.6).
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM