Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 25 Desambra 2017

Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo

Lioka 2.8-14
8 Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina. 9 Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy. 10 Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra; 11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. 12 Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona; 13 Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: 14 Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho et? ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany*. [*Na: Fankasitrahana ho amin'ny olona]

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo

Lioka 2.8-14

Mpiandry  ondry   tany an-tsaha

1-Isehoan’ny anjelin’ny  Tompo 

Mpiandry ondry tany an-tsaha no nisehoan’ny anjely , ka  nanambarany  ny vaovao mahafaly mikasika  ny fahaterahan’i  Jesoa Mpamonjy . Nomeny toky  mba tsy hatahotra   sady nanehoana ny Voninahitry  ny Tompo  nanelatrelatra  manodidina azy. Any an-tsaha  anatin’ny  alina feno  aizina , amperinasa , ao anatin’izany  no miseho ny anjelin’ny Tompo sy ny voninahiny  . Andriamanitra  dia mampiseho  ny  voninahiny  amin’izay tiany  hisehoana  sy hanehoana izany , na iza na iza isika , ary na aiza na aiza toerana  misy antsika , na inona na inona saranga misy antsika eo amin’ny fiaraha-monina . Izao  fisehoan’ny  anjely  amin’ny  mpiandry   ondry  izao   dia vavolombelon’ny fitiavan’ny  Tompo hamonjy antsika ary tsy mizaha tavan’olona  Izy .

2-Ilazana vaovao mahafaly

Na iza na iza teo  amin’ny toeran’ny mpiandry ondry  ireo  , dia tsy maintsy  ho taitra sy hatahotra  aloha . Nampitony  izany ny anjelin’ny  Tompo  ka nilaza tamin’ireo  mba tsy hatahotra  sady hanambara  vaovao  mahafaly  taminy . Ny  nahaterahan’i  Jesoa Kristy Tompo  no Teny  soa mahafaly  na Filazantsara  , sady  fifaliana  lehibe  ho an’ny olona rehetra ka mitondra fiadanana  ho an’ny firenena . Izay  mandray  an’i Jesoa  ho  Tompo  sy Mpamonjy  azy anio  no hahita  ny  tena fiadanana  eo amin’ny androm-piainany ary ny voninahitry ny Tompo  nanelatrelatra  manodidina azy .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM