Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 26 Desambra 2017

Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo

Isaia 11.1-10
1 [Ny amin'ny famonjena hataon'Ilay Solofon'i Davida, sy ny hira fiderana hatao amin'izany] Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany; 2 Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah; 3 Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an'i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan'ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren'ny sofiny; 4 Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. 5 Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony 6 Ary ny amboadia* hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; Ary ny zanak'omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, Ary ny zazakely no hiroaka azy.[lopa] 7 Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; Ny zanany hiara-mandry; Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby; 8 Ny zaza minono hilalao amin'ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tànany ao amin'ny lavaky* ny menarana. [Na: voamason'] 9 Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. 10 Ary amin'izany andro izany ny solofon'i Jese, Izay hitsangana ho fanevan'ny firenena, dia Izy no hotadiavin'ny jentilisa; Ary ny fitoerany dia ho voninahitra.

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo

Isaia 11.1-10

« Solofo  mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese »

1-Itoeran’ny Fanahin’i Jehovah (and2)

Ny fitoeran’ny Fanahin’i Jehovah  no mampiavaka  ny olona manome  ny toetra sy ny hery  rehetra ilaina  ahafahana  manatanteraka  ny sitrapon’ Andriamanitra ho famonjena  izao  tontolo izao  . Ny  asan’ny Fanahy masina  no  hery  mampijoro  ny fiangonana  ka hahafahany  manohy  ny asam-pamonjena  efa natombok’i Kristy  sy hahaizana  mitsara  araka ny fahamarinana (and4). Tsiahivina  eto  ilay  mpanompon’i Jehovah  nanao hoe: « Ny Fanahin’i Jehovah Tompo, no ato amiko  , satria Jehovah efa nanosotra  Ahy  hitory teny soa mahafaly  amin’ny mpandefitra , efa  naniraka  Ahy hahasitrana ny torotoro fo  Izy  , ary hitory  fanafahana  amin’ny babo  sy hamoaka  ny ao an-tranomaizina …(Isaia 61.1).

2-Mitondra fiadanana (and4-10)

Rehefa  ao  amin’ny olona ny Fanahin’ny Tompo  , ka manjaka eo amin’ny mpitondra  ny fahatahorana  an’ Andriamanitra  sy ny fahatokiana Azy , dia izany   no fiadanana . Miverina  amin’ny laoniny   ny fifandraisan’ny olona amin’ Andriamanitra , ny fifandraisan’ny olona samy olona , ary ny fifandraisan’ny olona amin’ny zava-boahary . Sary maneho  izany fiadanana izany  no ambaran’ny mpaminany  : »Ary ny amboadia  hiara-mitoetra  amin’ny zanakondry …ny zaza minono  hilalao  amin’ny lavaky  ny vipera » (and 6-8)

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM