Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 27 Desambra 2017
Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo
Galatiana 4.1-7
1 Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza; 2 fa fehezin'izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy. 3 Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao; 4 fa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin'ny lalàna, 5 hanavotany izay ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan'anaka. 6 Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô. 7 Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra.Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Galatiana 4.1-7
Ny fahatongavan’ny zanaka 
1-Manavotra izay ambanin’ny lalàna (and4,5)
Tsy misy amin’ny olombelona na dia iray aza ka sahy milaza fa nahatanteraka izay rehetra notakian’ny lalàna taminy . Amin’izany , ny lalàna dia tonga miampanga antsika satria mampiharihary ny tsy fahamarinantsika . « Nateraky ny vehivavy , nateraka tao ambanin’ny lalàna » (and4). Jesoa no nahatanteraka feno izay notakian’ny lalàn’i Mosesy sy ny lalàna amin’ny ankapobeny . Izy no nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’ny lalàna . Raha ny lalàna dia tsy misy azo hamarinina eo anatrehan’ Andriamanitra isika. Ny fahatongavan’i Jesoa no nahavotra antsika tsy ho eo ambanin’ny lalàna .
2-Mahatonga antsika ho mpandova
« Raha mbola zaza ny mpandova , dia tsy hafa noho ny andevo izy , na dia Tompon’ny zavatra rehetra aza » (and1). Baikoina hanao izay asaina ataony ny zaza na dia mpandova aza , mandra-pahatonga ny fotoana izay iheveran’ny rainy azy fa afaka mandray an-tànana sy mitantana ny anjara lovany izy . Izay rehetra mino an’i Jesoa kosa dia afaka tamin’ny fahazazana sy ny fanandevozan’ny abidiam-pianaran’izao tontolo izao , ary afaka hiaina malalaka amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ Andriamanitra . Ny Fanahy mitoetra ao anatintsika kosa no hanome antoka ho antsika ny amin’ny fiainana mandrakizay .
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM