Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 28 Desambra 2017
Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo
2 Tesaloniana 2.13-17
13 [Fananarana sy fanaovam-beloma] Fa izahay tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan'ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin'ny voalohany hahazo famonjena amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina, 14 sady ho amin'izany koa no niantsoany anareo tamin'ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsika. 15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay. 16 Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana, 17 no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
2 Tesaloniana 2.13-17
Anatra ho an’izay rehetra efa nandray ny Tompo
1-Tomoera tsara
Andriamanitra efa nifidy antsiika hatramin’ny voalohany hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy sy ny finoana ny marina .Manoloana ny herin’Ilay ratsy izay mifofofofo ka mikendry hanozongozona ny finoantsika dia tena ilaina ny mitoetra tsara , izany hoe: tsy hiongotra na ho mora afindra fa tena miorim-paka lalina . Ny hevitry ny teny dia: »mamahatra tsara » (DIEM) . Betsaka ankehitriny ireo karazana fomba sy fivavahana miditra eto amin’ny tanintsika , manampy trotraka izany ny fahasahiranana mianjady amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro . Ireny rehetra ireny no ataon’ilay ratsy fitaovana hahatonga antsika hiala amin’izay efa niorenan’ny finoantsika . Aoka isika hitoetra tsara amin’izay efa niantsoana sy nifidianan’ny Tompo antsika .
2-Hazony ny fampianarana natolotra
Tsy nazava tamin’ny olona ny fampianarana ny amin’ny fiavian’ny Tompo amim-boninahitra ka nahatonga fivilian-dàlana . Ny sasany aza efa tsy niasa intsony satria nihevitra fa efa tonga ny farany ka tonga nahantra sy nangataka . Tsy voatahiry intsony ny fampianarana natolotry ny Apostoly . Ny hoe: « mihazona ny fampianarana » dia mampihatra izany eo amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainana andavanandro na amin’ny teny na amin’ny asa : « amin’ny asa sy ny teny tsara rehetra » (and17).
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM