Vavolombelon’ny  fitiavany ny  Tompo 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 02 Novambra 2017

Vavolombelon'ny  fitiavany ny  Tompo 

Isaia 43.1-5
1 Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. 2 Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo; 3 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin'ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao. 4 Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon'ny ainao. 5 Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao;

Vavolombelon’ny  fitiavany ny  Tompo 

Isaia 43.1-5

Andriamanitra  maneho fitiavana

1-Tamin’ny lasa (and1)

Ampahatsiahivin’ Andriamanitra  eto  ny fanehoam-pitiavana efa nataony  tamin’ny  lasa. Efa nanavotra  Izy  ka mbola hanavotra . Efa  niantso  sy nifidy  Izy  ka tsy  mahafoy . Izany  fitiavan’ Andriamanitra  tamin’ny lasa  izany   no tokony   hitokiana  satria  tsy  miova ny fitiavany .

2-Ankehitriny  (and3-4)

Mariho fa na ny fanambara-tenan’ Andriamanitra  izay milaza hoe: « Izaho  no » na ny  matoanteny  izay  milaza  ny asa ataon’ Andriamanitra amin’ny hoe: »omeko » dia samy  amin’ny filazam-potoana  ankehitriny  avokoa . Midika  izany  fa fanehoam-pitiavana  mihatra  avy  hatrany  amin’ny ankehitrinim-piainana  no  ambaran’ Andriamanitra eto.

3- Amin’ny ho avy  (and2.5) 

Mbola  mampanantena  ny haneho  ny fitiavany  hatrany  Andriamanitra  amin’ny ho avy  rehetra  . Izy  no  homba   , Izy  no  hiaro , Izy  no  hitantana . Ny  fitiavan’ Andriamanitra izay  mitoetra  mandrakizay  amintsika  no hahazoana  miatrika  sy  mandresy  ny sarotra rehatra , na izy   efa  niseho  tamin’ny lasa  izany  na izay  miseho  ankehitriny  sy izay hiseho  amin’ny ho avy  satria , hoy i Jesoa : »Indro  Izaho  momba anareo  mandrakariva » . Koa Aza matahotra !

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM