Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 03 Desambra 2017
Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo
1 Jaona 4.7-11
7 Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra. 8 Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana. 9 Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. 10 Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika. 11 Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
1 Jaona 4.7-11
Ny mpino miaina ny fitiavan’ Andriamanitra
Avy amin’ Andriamanitra ny fitiavana . Izay miray Aminy no manana fitiavana ka ny mpino miaina ny fitiavan’ Andriamanitra dia:
1-Mifankatia (and7-8.11 )
Teny fanentanana antsika mpino no ataon’ny Apostoly Jaona eto amin’ny tokony hifankatiavantsika . Tsy zavatra ifanerena izany fa marika hanehoana ny maha- zanak’ Andriamanitra kanefa tsy manam-pitiavana ny hafa . Nantsoina ho amin’ny fifankatiavana ny mpino satria samy zanak’ Andriamanitra . Fitiavana ifanaovana na ifamaliana izany fa tsy fitiavana mandeha ila sanatria.
2-Mahafoy ny sarobidy indrindra (and10)
Ambaran’i Jaona mazava tsara fa ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy tamin’ny teny fampanantenana fotsiny ihany fa noporofoiny tamin’ny alalan’ny asa koa. Porofo mivaingana no nentin’ Andriamanitra naneho ny fitiavany antsika dia ny nanolorany ny tokana sy ny tsara ary ny sarobidy indrindra teo am-pelatànany ho famonjena antsika . Tahaka an’ Andriamanitra izay nanome ny zanany izay tia dia tia amin’ny teny sy amin’ny asa ka manome sy mahafoy ny sarobidy indrindra . Ny tena fitiavana dia tsy mila tambiny ary tsy sandaina ihany koa .
Fanontaniana
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM