Vavolombelon’ny fitiavany ny  Tompo 

Mofonaina anio: Talata, faha 05 Desambra 2017

Vavolombelon'ny fitiavany ny  Tompo 

Jeremia 31.1-6
1 [Ny famindram-po ho an'ny firenen'Isiraely, sy ny fanekena hatao aminy] Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian'ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko. 2 Izao no lazain'i Jehovah: Hahita* fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin'ny sabatra; Handeha Aho ka hanome* fitsaharana ho an'ny Isiraely.[Na: Nahita][Na: Nandeha Aho ka nanome] 3 Tany lavitra any* no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.[Na: Tamin'ny fahiny] 4 Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly. 5 Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra. 6 Fa mbola hisy andro hiantsoan'ny mpitazana any amin'ny tany havoan'i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin'i Jehovah Andriamanitsika.

Vavolombelon’ny fitiavany ny  Tompo 

Jeremia 31.1-6

Fitiavana mandrakizay  Andriamanitra 

1-Ny  fitiavany  ny Israely

Hafatra  ho an’ny  Jiosy   babo   tany  Babylona  ity . Ambarany  ny  momba  ny Israely  hatramin’ny  fanjakana avaratra  ary  Israely  manontolo  . Tiany  ny fanjakana avaratra  na Israely  na i Efraima na i Samaria (and2,4,5). Omena  fitsaharana  sy  filaminana  izy  ka  tsy  hisy ady  ao  aminy (and2) . Hanorina indray  an’Israely efa rava i Jehovah  ka hanome fihobiana  sy  fifaliana ao amin’ny taniny . Hambolena  hatao  tanimboaloboka indray ny tendrombohitr’i Samaria , ary noho  ny fiadanana omeny , ny  fitiavan’ Andriamanitra    dia  hanjary  ho mahataona  i  Ziona  izay  toerana  tokana  fihaonany  amin’Israely (and6). Mitoetra  ho mandrakizay  Andriamanitra  ary  tsy  voafetran’ny fotoana  sy ny toerana ny fitiavany ny  olony .

2-Ny famindrampony  amin’ Israely

Andriamanitry ny famindrampo  ny  Tompo . Mifamatotra ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny famindrampony . Manafoana ny tenany Andriamanitra ka manisy soa  an’ Israely  izay nanota  sy niala taminy  dia Israely  virjina (and4). Mamindra foa  amin’ny maditra  sy ny mafy hatoka Izy . Mahary  an’Israely ho vaovao i Jehovah. Manao  fanarenana an’Israely manontolo  ny  Tompo: sitranina ny taniny , averina ho amin’ny fivavahan feno  fifaliana sy fanompoana ny Israely . Manavao  ny fanekeny  mandrakizay  ny  Tompo ka ho Andriamanitray ny isam-pianakavian’ Israely (and1).

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM