Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 07 Desambra 2017
Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo
Jaona 14.18-24
18 Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankat? aminareo Aho. 19 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo. 20 Amin'izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin'ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. 21 Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. 22 Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin'izao tontolo izao koa? 23 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. 24 Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray izay naniraka Ahy.Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Jaona 14.18-24
Ny tena vavolombelon’ny Tompo dia :
1- Tia an’i Jesoa
Izay tia Ahy no tian’ny Raiko (Jao 14.31) . Ny fo no foiben’ny aina sy ny fihetsehana . Ao no mitempo fitiavana , ao koa no misy ny fankahalana . Ny hoe: tia an’i Jesoa dia raiki-pitia Aminy tanteraka . Miara-paly Aminy , miara-malahelo Aminy . Izay tian’i Jesoa dia tiany , izay halan’i Jesoa dia halany .
2-Mitandrina ny tenin’i Jesoa
Izay milaza hoe: tia an’i Jesoa nefa tsy mitandrina ny teniny dia mpan dainga . Nampianatra antsika ny Soratra masina fa ny fitiavana ny rahalahy izay hitan’ny masontsika no hanombohana ny fanehoana ny fitiavana an’i Jesoa : « izay milaza fa tia an’ Andriamanitra , nefa mankahala ny rahalahiny dia mpandainga . Fa ataony ahoana no hitia an’ Andriamanitra izay tsy hitany , nefa ny rahalahiny izay hitany aza tsy tiany » . Araka izany dia aseho amin’ny marika hita maso sy azo tsapain-tànana ny fitiavana ny Tompo . Tsy ampy ny fitiavana eo imolotra fotsiny . Tsy afa-misaraka ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana fa mifampiankina sy mifameno.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM