Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Desambra 2017
Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo
Deoteronomia 10,12 - 19
12 [Anatra ny amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fitiavana Azy, ary filazana ny soa ho azon'ny manaraka ny lalàna sy ny loza hanjo ny tsy manaraka azy] Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, 13 hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao? 14 Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy. 15 Kanefa ny razanao no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao. 16 Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo. 17 Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly; 18 manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana. 19 Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo.Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Deoteronomia
Ilay Andriamanitra be fitiavana
1-Tsy manam-paharoa Izy (and 17-18)
Ireo toetra mampiavaka sy maneho ny maha- izy Azy an’ Andriamanitra no ambarany amintsika eto . Tsy manam-paharoa Andriamanitra satria Tompon’ny fiandrianana avo indrindra Izy , manana ny hery sy ny fahefana ambony indrindra Izy , mahitsy sy marina Izy ary tia sy miantra izay atao an-jorombala Izy .Nasehony tao amin’i Jesoa Kristy fony teto an-tany ireo toetrany ireo . Nanehoan’ Andriamanitra ny fitiavany isika ka tokony hahay haneho fitiavana ny hafa ihany koa (and19) .
2-Mendrika ny hotiavina Izy (and 12-16)
Tia antsika Andriamanitra . Nasehony tao amin’i Jesoa izany fitiavany antsika izany .Mandeha ila anefa ny fitiavan’ Andriamanitra raha toa ka tsy mba mahay mamaly fitia Azy isika .Ho setrin’ny fitiavany antsika dia aoka hanaja sy hankato Azy isika ka hitandrina ny Teniny araka izay ahitana izany ao amin’ny Soratra masina manontolo , ho tia sy hanompo Azy amin’ny fontsika sy amin’ny fanahintsika sy izay rehetra ananantsika . Tsarovy fa tsy toy inona akory ny fanehoam-pitiavana andrasan’ Andriamanitra amintsika raha oharina amin’izay efa nataony ho antsika .
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM