Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo  

Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Desambra 2017

Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo  

Lioka 18.15-17
15 Ary nisy nitondra zazakely koa ho eo amin'i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy. 16 Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra. 17 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no ny handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo  

Lioka 18.15-17

1-Mibebaha amin’ny fanilikilihana (and15)

Manana endrika fanilihana  ny zaza  ny fandraran’ny mpianatra  ireo olona nitondra zaza ho eo amin’i Jesoa  . Ny mpianatra  nanilika , fa Izy  kosa niantso  azy ireo hitondra ny zaza  ho eo Aminy . Be fitiavana  Andriamanitra ka tsy  mba manilika na manavaka . Mibebaha  amin’ireo  endrika fandrarana sy fanakanana ataontsika amin’ny ankizy  sy amin’ireo  sokajin’olona  madinika ka mahatonga  azy ireny  tsy ho tafiditra  any am-piangonana , na  tsy hanana anjara  amin’izay  atao  ao am-piangonana.

2-Mandraisa  ny toromarik’i Jesoa (and16) 

Manana ny anjara  toerany  ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra  ny zaza. Tsy  misy na iza na iza rahateo   azo    sakanana  tsy  hanatona  ny  Tompo  sy hanana  ny anjarany  ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra . Lohalaharana  amin’ireny ny zaza. Anisan’ny fihetsika nanafitohina  an’i Jesoa  ny fandrarana  ny zaza tsy hanatona   Azy ( Mar 10.14). Baiko  no omen’i Jesoa  antsika  fiangonana . Omeo   sehatra  ivelarany  sy itomboany  eo anivon’ny  fiangonana  ny zaza . Fampianarana koa no omen’ny Tompo antsika amin’izay  tokony  hananantsika toe-po  tahaka ny zaza  rehefa manatona an’ Andriamanitra .

Fanontaniana :

Birao  Sekoly Alahady FOIBE FJKM