Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 30 Desambra 2017

Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo 

Efesiana  5.1-2
1 Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala; 2 ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana* amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. [* Gr. fanatitra alatsa-drà]

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo 

Efesiana  5.1-2

Mijoroa  ho vavolombelon’ ny Tompo 

1-Aoka hanahaka an’ Andriamanitra 

Koa  amin’izany   dia aoka hanahaka an’ Andriamanitra ianareo  tahaka ny zanaka malala » (and1)

Natao  hanahaka an’ Andriamanitra  ny olona . Io fanahafana an’ Andriamanitra  io  no toerana misy antsika  fony  mbola  tsy tafiditra  ny fahotana. Tian’ny Apostoly hotsiahivina eto izany  mba hahatonga  antsika  ho amin’ny fahariana vaovao (Efes 4.23,24). Ny  fitondrantenan’i Jesoa  Kristy  no modely  tokony  halaintsika tahaka , tsy mandainga , tsy mba manana lolompo , malemy fanahy , miantra  sy mamela heloka (Efes 4.25-32). Tokony  hanahaka  an’ Andriamanitra  isika  amin’ny fahamarinana  sy amin’ny fahamasinana  amin’ny fitondrantena rehetra .

2-Mandehana  amin’ny fitiavana 

Ampianarina koa isika  mba handeha  amin’ny fitiavana , ka  ny fitiavan’i kristy  no halain-tahaka , indrindra fa Izy  nanolotra  ny tenany  natao  sorona  ho  fanavotana ny hafa . Izany  dia araka  izay efa  nolazainy  tamin’ny mpianany hoe: »Tsy manana fitiavana  lehibe  noho izao  dia ny manolotra  ny ainy  hamonjy ny sakaizany « (Jao 15) . Ny   mpino  izay efa anahatsapa ny famonjena noraisiny  sy ny fitiavan’ Andriamanitra azy no ho afaka  mandeha  amin’ny fitiavana , ka ho tia  an’ Andriamanitra sy ho tia ny namany , eny ho tia  ny fahavalo aza . Tokony hanjaka  eo  amin’ny fiombonan’ny mpino   ny fifankatiavana .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM