Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 13 Desambra 2017
Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Ohabolana 3.1-1-12
1 [Famporisihana hitondra tena tsara] Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Ohabolana 3.1-1-12
Ireo fitahiana , fahasoavana , fitiavana omen’ny Tompo antsika
1-Tombonandro :
« Fa andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana no hanampiny ho anao ».Izany teny fikasana izany dia tanterahan’ ny Tompo amin’izao fisitrahantsika ny andro anio izao .
2-Famindrampo :
« Aoka tsy handao anao ny famindrampo
3-Fitiavana ,fahalalana tsara
« Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara eo anatrehan’ ny Tompo sy ny olona ianao » (Oha 4.4).Mifampiankina amin’ny fisitrahana ny famindrampon’ny Tompo ny fahazoana eo anatrehany sy anatrehan’ny olona .
4-Filaminana :
« Fa Izy handamina ny làlanao » (Oha 3.6b).
5-Fitahiana :
« Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao « (Oha 3.10) .Sitraky ny Tompo ny hanatanterahany ireo tsodrano voalaza ao amin’ny Deo 28.8 ho antsika .
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM