Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 14 Desambra 2017
Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Titosy 3.3-7
3 Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon'ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin'ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala. 4 Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, 5 dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina, 6 Izay naidiny betsaka tamintsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika, 7 mba hohamarinina amin'ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Alakamisy 14 Desambra 2017
Titosy 3.3-7
Ny mampiavaka ny olona ateraka indray
Fantatsika fa ny olona ateraka indray dia tonga olombaovao , miaina ny fiainam-baovao . Afaka mijoro ho vavolombelona satria . « Efa lasa ny zavatra taloha » . Olona nandray fanapahankevitra hampandroso an’i Jesoa ka mampiditra azy ao am-pony (aPo 3.20) .
1-Misitraka ny famindrampon’ny Tompo tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy masina (Tit 3.5a) .Mazava eto fa tsy any amin’ny asa na ezaka ataontsika izany fa noho ny famindrampon’ Andriamanitra .
2-Ny olon’izao tontolo izao kosa , izay mbola mandeha ao amin’ny aizina dia mbola andevon’ny filàna sy ny fahafinaretana maro . Miaina amin’ny fanakahalana , mora voafitaky ny devoly ary diso làlana matetika . Tsy manana fanantenana ary mizotra amin’ny fahaverezana . Tsy mety mandray ny fanavaozana avy amin’ny Tompo Jesoa Kristy . Lavitry ny fiovampo . Mila mandini-tena ny olona toy izany , mila miaiky ny fahalemeny sy ny fahotany , mibebaka sy manolo-tena ho an’ Andriamanitra , manaiky ny famonjena vitan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana , mandray fanapahankevitra hizotra amin’ny fiainambaovao.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM