Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 17 Desambra 2017

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo

Hosea 11.1-4
1 [Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, na dia be aza ny helony] Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako. 2 Nony nisy niantso azy, dia vao mainka nandositra ireny izy; Ho an'ireo Bala kosa no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary ho an'ny sarin-javatra voasokitra no andoroany ditin-kazo manitra. 3 Fa Izaho no nampianatra an'i Efraima handeha. Eny, notrotroiko tamin'ny sandriko* aza izy. Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy. [Heb. notrotroiny tamin'ny sandriny] 4 Tamin'ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin'ny mahazakan'ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava* eo ambonin'ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.[Heb. zioga]

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo

Hosea 11.1-4

Miahy antsika ny Tompo

1-Ray be fitiavana Izy ( and 1-3)

Oharina amin’ny fitiavan’ny ray ny zanany ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanak’ Isrely . Izy Tompo mihitsy no milaza hoe: « fony mbola zaza Israely dia tiako izy , ary nantsoiko nila tany Egypta ny zanako” (and1) . Izy mitrotro ny zanany . Etsy ankilany kosa , Israely dia tsy mahatsapa izany ka minia manalavitra Azy sy miodina Aminy ary manompo andrimanikafa . Tsy hafa amin’izany isika : Andriamanitra dia nampiseho ny fitiavany antsika ka nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’ny fahotana ary nanangana antsika ho zanaka tamin’ny alalan’I Jesoa Kristy . Matetika anefa isika no tsy mba mahatsapa izany akory ary minia mandositra ny tavany .

2-Tompo tsara fanahy Izy (and 4)

Tamin’ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana” . Eto dia hita miharihary ny fitiavana sy ny hatsaram-panahin’ny Tompo , ka na dia miodina aza ny zanany , Izy kosa mitarika azy sy mamerina azy am-pitiavana ka manolo-kanina ho azy . Tsara fanahy ny Tompo ka mitaona antsika am-pitiavana indray anio mba hiverina Aminy , sady manainga antsika mba handray ny teniny .

Fanontaniana :

Inona no antony mahatonga ny olona hanompo andriamaninkafa ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM