Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 19 Desambra 2017
Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo
Isaia 63.7-9
7 [Fivavahana sy fiaiken-keloka ary fiderana noho ny famonjen'Andriamanitra hatramin'ny taloha] Ny famindram-pon'i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak'Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben'ny famindram-pony. 8 Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy. 9 Tamin'ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin'ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin'ny andro taloha ela rehetra.Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Isaia 63.7-9
Izay tokony hataon’ny olona efa novonjena
Nanaiky ho faty teo amin’ny hazo fijaliana Kristy mba hamonjena antsika ka hananantsika anjara amin’ny fiainana mandrakizay . Inona kosa àry no tokony hataontsika , raha izany ny fitiavany antsika ?
1- Manambara ny famindrampony (and7)
Andeha isika hanao tahaka ny mpaminany ka hanmbara hoe: « ny famindrampon’i Jehovah no hambarako dia ny fiderana an’i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika ». Mamindra fo sy miantra ny Tompo , maharipo sady be famindrampo Izy ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay . Tsy manao antsika araka ny fahotantsika Izy , ary tsy mamaly antsika araka ny helontsika . Sambatra izay rehetra manantena Azy , fa hamindra fo aminy Izy .
2- Manambara ny famonjeny (and 8)
« Fa hoy Izy :oloko tokoa ireo , dia zanaka tsy mba handainga , ka dia tonga Mpamonjy azy Izy » . Tamin’ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy ary ilay anjelin’ny tavany no namonjy ireo . Ny fitiavany sy ny famindrampony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin’ny andro taloha ela rehetra (and9). Izany no fitiavan’ Andriamanitra antsika . Mpamonjy mora azo amin’ny fahoriana Izy . tokony hotsarovana koa anefa fa mpitsara ny ratsy fanahy sy ny mafy hatoka Izy . Koa aoka isika hibebaka , satria izay mibebaka marina tokoa no handray izany famindrampo sy ny famonjeny izany .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM