Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 20 Desambra 2017

Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo 

Efesiana 3.14-21
14 Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray 15 Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy et? an-tany anarana, 16 mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo; 17 mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo, 18 mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany. 19 ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra. 20 Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, 21 ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana* sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Gr. eklesia]

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo 

Efesiana 3.14-21

Mijoroa  ho  vavolombelon’ny fitiavan’ny  Tompo  

1-Amin’ny fivavahana (and14-19)

« Ary  noho izany   no andohalehako  amin’ny Ray... » .Ny  fiainam-bavaka no hery lehibe  ho enti-mandresy ny sakantsakana  tsy hahafahana mijoro ho vavolombelona . Mariho  tsara  fa i  Paoly  , izay  heverina  fa tokony  hangata-bavaka sy  fampaherezana  avy  amin’ny hafa indray   noho  izy migadra  no  mivavaka sy  mandohalika  h  an’ny  mpino  : »mba hananany  toe-panahy  matanjaka  (and16), mba hahalala  sy  hitoeran’ni Kristy  ao am-pony  ka hiorina  amin’ny  fitiavany  » (and19) . Toe-panahy  toy izany  no ilaina  amin’izao  vanimpotoana  sarotra diavintsika  izao . Ny  tena  mpino  sy mpanara-dia  an’i Jesoa  dia mijoro  ho vavolombelona mandrakariva  amin’ny fivavahana  ary  koa hahatsiaro  hivavaka ho an’ny hafa .

2-Amin’ny   fanomezam-boninahitra  ny Tompo  (and20-21)

Resy  lahatra  i Paoly  fa mahay  ny zavatra rehetra  Andriamanitra  , mahay   manao  mihoatra noho izay  rehetra angatahintsika na heverintsika aza. izany faharesen-dahatra  izany no mitarika azy  hanome voninahitra  an’ Andriamanitra ka hampaherezany ny mpamaky  ny Epistiliny  . Aoka  isika  fiangonana  hiaiky  sy hankalaza  ny  Voninahitr’ Andriamanitra .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM