Vavolombelon’ny  fitiavany ny Tompo 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 21 Desambra 2017

Vavolombelon'ny  fitiavany ny Tompo 

Hosea 14.2-10
2 [Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, rehefa mibebaka] Ry Isiraely ô, miverena amin'i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao. 3 Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin'i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay* ho fanatitra** ny molotray.[*Heb. haloanay][**Heb. vantotr'ombilahy] 4 Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin'ny asan'ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan'ny kamboty famindram-po. 5 Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako. 6 Ho tahaka ny ando Aho amin'ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an'i Libanona. 7 Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an'ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an'i Libanona ny hanitra avy aminy. 8 Izay mipetraka ao ambanin'ny alokalony dia hampahavokatra vary indray*, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an'ny divay avy any Libanona.[Na: ho velombelominao indray toy ny vary izy] 9 Ry Efraima ô, hataoko* inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao**; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao.[*Na: Efraima hanao hoe: Hataoko][**Heb. azy] 10 Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.

Vavolombelon’ny  fitiavany ny Tompo 

Hosea 14.2-10

Tsy mahafoy antsika ny Tompo 

1-Mitaona  antsika mba hiverina Aminy (and2-4)

Tsy hafa  noho ireo  zanak’Israely fahizay  isika  ankehitriny  : »...fa lavon-keloka ianao » . Ny  fototry   ny  olana  sy ny  fahavoazana  mahazo  antsika dia tsy misy  afa-tsy  izao ihany  . Ny fiodinana  amin’ny  Tompo hanompo  andriamaninkafa  mba hisolo ny toeran’ Andriamanitra  ao am-po  . Tia antsika  anefa  Izy ka mitaona antsika  indray  mba hiverina Aminy . Ny  hoe: « miverina Aminy » dia  midika   ho fialana amin’ny ratsy  fanao  sady manaiky  Azy amin’ny fo  sy ny saina  manontolo   ho hany  Andriamanitra  tokana. Miantefa  amintsika  ny antso ankehitriny  . « Miverena  amin’i  Jehovah  ka manaova   aminy hoe:  mamelà  ny heloka rehetra... » (and3);

2-Mampanantena fanasitranana  (and5-9)

Teny  fampanantenana  no  omeny   antsika izay  tapa-kevitra  fa hiverina  Aminy  : »hositraniko  ny fiodinany  , ho tia azy  tsy vozonana  Aho, fa efa niala  taminy  ny fahatezerako  » (and5). Mitondra  fanavotana  tanteraka  ho an’ny olona  sy ny firenena   ny famelankeloka  omen’ny  Tompo . Manome   toky Izy  fa ho « tahaka  ny ando  ho an’Israely ka  hitahy   azy   sy hampamokatra azy » (and6). Sarin’ny saha  mahavokatra  ahitana  hazo  voatondraka  tsara  sy tany  mamokatra   be  no hanehoana  ny fanasitranana  ampanantenanina izay  miverina  Aminy  . Ny  fiverenan’ny olony amin’ Andriamanitra no  miantoka  ny   fahasitranana  sy  mitondra fiadanana .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM