Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 31 Desambra 2017
Vavolombelon'ny fitiavany ny Tompo
Deoteronomia 7.6-8
6 Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin'i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 7 Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza; 8 fa ny nitiavan'i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin'ny razanareo no nitondran'i Jehovah anareo tamin'ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin'ny trano nahandevozana dia tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta.Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo
Deoteronomia 7.6-8
Izay mampiavaka ny firenen’ Israely
1-Firenena masina (and6)
Voatokana ho an’ Andriamanitra ny dikan’ny hoe: masina . Andriamanitra no efa nifidy sy nanamasina azy ireo ka tokony hotehiriziny hatrany izany . Tsy tokony hanahaka ny fomban’ny jentilisa manodidina azy izy ireo , indrindra fa rehefa tafiditra any amin’ny tany izay nampanantenaina ho lovany . Izany koa no hafatra ho antsika amin’izao fotoana faramparany mialohan’ny hiatrehana ny taona vaovao izao : voatokana ho an’ Andriamanitra isika . Koa fadio ny fanao ratsy rehetra . Aza mianatra ny fanaon’izao tontolo izao , fa sahia mijoro ho vavolombelon’ny Tompontsika . « …fa ianao efa nofidin’i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany » .
2-Notiavin’i Jehovah (and7,8)
Tsy miankina velively tamin’izay nataon’Israely ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo fa Izy no mitana ny teny fampanantenana nataony tamin’ny razambeny sy ny nanavotany azy tamin’ny trano nahandevozana . Tia antsika Andriamanitra ka naniraka ny zanany ho avotra noho ny fahotantsika . Tsy miankina velively tamin’ny hatsarana na ny soa vitantsika izany fitiavany izany fa safidiny samirery .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM