VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Febroary 2017

VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO

Lioka 22.14-20
14 Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly. 15 Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. 16 Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak'izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 17 Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo; 18 fa lazaiko aminareo fa hatramin'izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra. 19 Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. 20 Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo.

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Lioka 22.14-20

Ny fanekena  vaovao  nambaran’i Jesoa  ho an’ny mpianany

Nambaran’i Jesoa  ny faniriany  mafy  hiara-hihinana ny Paska  iarahan’izy ireo  farany mialohan’ny hijaliany. Ny fotoana  manaraka  iarahana  mihinanna izany Aminy dia rehefa tonga indray any amin’ny fanjakan’ Andriamanitra . Ny  lesona  avy amin’izany dia izao:

1-Jesoa manome:

Raha  nanolotra  ny mofo i Jesoa dia niteny hoe: « Ity  no tenako  izay  omena anareo   « ary raha nanolotra  ny divay  koa Izy  dia nanao hoe: »Ity  no Rako izay alatsaka  ho anareo » (and19,20) .Manome Izy : Kristy  novonoina sy nalatsa-dra ary nafoin’ Andriamanitra  no nomena antsika . Koa  raha ny tenany   sy ny Rany aza nafoiny  ho antsika , moa tsy homeny maimaimpoana ho antsika koa va ny zavatra rehetra ? Ny anjarantsika dia ny mandray izany . Izany  no maha-Mpandray ny Fanasan’ny Tompo antsika .

2-Isika manao  izany  ho fahatsiarovana Azy

Hoy  ny Tompo : »Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy ». Ny fankalazana  ny Paska  rehetra ho avy  sy  amin’ny fotoana  rehetra andraisana  ny Fanasan’ny Tompo dia ho fahatsiarovana an’i Jesoa nanolotra ny tenany sy ny Rany . Izany no fanekena vaovao ho antsika .

Fanontaniana:

Tsapanao  amin’izay ve  ny zava-miafina ao amin’ny Fanasan’ny Tompo ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM