VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Febroary 2017

VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO

Deoteronomia 30.11-14
11 Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra. 12 Tsy any an-danitra izany ka hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika, mba hohenointsika ka harahintsika? 13 Ary tsy any an-dafin'ny ranomasina izany ka hanaovanao hoe: Iza no hankany an-dafin'ny ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika? 14 Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao.

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Deoteronomia 30.11-14

Mifidiana ny fiainana

Tsy isika  no nanao ezaka hitadiavana  famonjena , tsy avy   amin’ny fahatakaran’ny saintsika  no nahalalantsika  an’ Andriamanitra   fa Izy no nanatona  noho ny fitiavany  hanome fiainana ho antsika . Izany  no fanekem-pihavanana nataon’ Andriamanitra  ho antsika  ka nilazany  hoe:

1-Eo akaikinao ny teny 

Tsy ilaina  intsony  ny miakatra any an-danitra  ho fitadiavana Azy , na ny midina lalina mba hamohazana Azy . Tonga teto an-tany  Kristy , ary izany  no vavolombelon’ny fanekem-pihavanana izay nataony .Tanteraka  ny famonjena  tamin’ny alalan’ny  fahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty . Izay andrasana amintsika dia ny hinoantsika fa Jesoa no Tompo sy Mpamonjy . Izany no hany làlana tokana hahazoana  ny fiainana.

2-Eo am-bavanao  sy ao am-ponao  mba harahinao

Mialohan’ny hidiran’ny Zanak’Israely ho any amin’ny tany Kanana no nandraisany izao hafatra izao  , mba ho famerenana aminy  fa efa nampahafantarina azy ireo ny didy sy ny lalàna  izay hotandremany. Tsy hisy intsony  hanao fialan-tsiny  toy ny hoe: »mbola tsy nandre  izany izahay »…sns . Miankina betsaka amin’izay safidiny ny ho aviny , na ho fahafatesana na ho fiainana . Eo am-panomanana ny ho avy isika ankehitriny  . Ankatoavy  ny Tenin’ Andriamanitra .

Fanontaniana:

Mpankato  ny tenin’ Andriamanitra ve ianao  sa mpihaino fotsiny ihany ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM