VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 20 Febroary 2017

VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO

Daniela 3.28-30
28 Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin'ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany. 29 Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin'Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao. 30 Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin'i Babylona sy ny fehiny.

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Daniela 3.28-30

Sahia mijoro  ho vavolombelon’ny Tompontsika

 

Nialona  ny fanandratana  an’i Sadraka  sy Mesaka  ary Abednego ireo Kaldeana . Nampangainy   ho tsy nanaja ny Mpanjaka  izy ireo (Dan 3.12). Ary  dia natsipy  tao anaty lafaoro  mahamay  dia mahamay izy telo lahy , kanefa  tsy maty  tao satria:

1-Mamonjy  amin’ny ady sarotra  ny Tompo

Niaiky  ny mpanjaka  fa tena mahery  ny Andriamanitra izay itokian’izy telo mirahalahy . Ny fijoroana  ho vavolombelon’ny Tompo  dia mety  hisedrana zava-tsarotra sy fitsapana mahamay . « Kanefa  amin’izany rehetra izany  dia manoatra noho ny mpandresy  isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika » (Rom 8.37). Tanteraka ny teny fikasana hoe : « Raha mandeha  mamaky ny afo hianao dia tsy ho may , ary tsy hirehitra aminao ny lelafo , fa Izaho  Jehovah Andriamanitrao , dia ny Iray Masin’ Israely , mpamonjy  anao » (Isa 43.1-3). Izay miaraka amin’i Jesoa no handresy  ny fahafatesana .

2-Izy  no Tompon’ny teny farany    

Namoaka  didy ny mpanjaka  mba hanajana ny Andriamanitr’izy telo lahy (and30) . Andriamanitra no manova  ny tantara . Izao  fiovan-kevitry  ny mpanjaka izao dia mampiseho  amintsika fa Tompon’ny fahefana rehetra Izy .

Fanontaniana :

Efa vonona ve ianao hijoro  ho vavolombelon’ny Tompontsika manoloana ireo finoana hafa ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM