VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Febroary 2017

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

1 Timoty 6,11 - 16
11 Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. 12 Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro. 13 Izaho mananatra anao eo anatrehan'Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan'i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato, 14 mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany; 15 ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany; 16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

 1 TIMOTY 6.11-16

Miadia ny ady tsaran’ny finoana

Manana  ady isanandro  isika kristiana . Miseho  amin’ny endrika  maro samihafa  izany ka tokony  ho malina isika . Anisan’izany ny ady amin’ny fampianaran-diso  izay antsoiny hoe : « fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia » (1 Timoty 4.1) sy ny fandriky ny fitiavan-karena tafahoatra (and3-10). Inona  àry  no tokony hatao manoloana izany ?

1-Mandosira (and11)

Ny hoe : « mandositra » dia manalavitra . Halaviro ny fanarahana fampianarana hafa izay tsy manaiky ny teny tsy misy kilema nambaran’i Jesoa  Kristy . Manohitra  ny fivavahantsika ireny ka mahatonga fieboeboana sy fiadian-kevitra , fialonana, fifandirana, fanevatevana… »(and3-4 DIEM) . Halaviro ny fitiavana  harena tafahoatra. Ny fitiavambola no fototry ny ratsy rehetra . Ny olona sasany fatra-pitady izany dia efa tafavily niala tamin’ny finoana (and10). Mahaiza mianina  amin’izay ananana .

2-Mitandrema mba  tsy hanan-tsiny (and14)

Izany no filamatra  tsy maintsy  hanorenan’i Timoty  ny asa fanompoany mandra-piavin’ny Tompo. Ady sarotra  izany raha  amin’ny maha- olombelona fotsiny amin’izao , nefa azo antoka  fa raha mandray an’i Jesoa ho ao am-po isika dia hitoetra  ho tsy manan-tsiny  eo anatrehan’ Andriamanitra  amin’ny andro ihaviany indray .

Fanontaniana :

Tsy tokony hanan-karena ve izany ny kristiana ?

Birao  Sekoly  Alahady  FOIBE  FJKM