VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Febroary 2017

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

HEBREO 10.11-18
11 Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan'andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota; 12 fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka* eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra, [* Na: noho ny ota, dia efa mipetraka mandrakizay] 13 ka hatramin'izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony. 14 Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina. 15 Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe: 16 "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy," 17 dia hoy koa Izy: "Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony" (Jer. 31.33, 34). 18 Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

 

HEBREO 10.11-18

Ny fanatitra  nataon’i Kristy

Teo  amin’ny Jiosy dia tsy tapaka  isanandro  ny fanaovana fanatitra , misy  ny maraina , misy ny hariva  (Nom 28.26). Ambaran’ny Soratra masina eto  ny mampiavaka ny fanatitra  izay nataon’i Kristy .

1-Indray mandeha monja (and11,12)

Izay nataon’i Kristy ho antsika kosa dia hafa satria : indray mandeha monja (and12) ary ampy ho famonjena  antsika rehetra . Nanolotra  ny tenany  hanao ny  ny sitrapon’ Andriamanitra  Izy , ny fiainany manontolo mihitsy  no fanatitra  velona fa tsy ny fahafatesany ihany . Efa vitany  ny fisoloana  heloka  antsika  rehetra , araka ny voasoratra  hoe : « … Izy  dia voalefona  noho ny fahadisoantsika , sy notorotoroana noho ny helotsika , ny fampijaliana  nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy , ary  ny dian-kapoka  taminy  no nahasitrana  antsika » (Isa 53.5) .Minoa  fa efa  voavela ny fahotantsika noho izay nataon’i Kristy .

2-Maharitra mandrakizay (and14)

Teo amin’ny Jiosy , ny fanatitra  natao omaly  dia tsy ampy  ho an’ny andro androany  , ka izany  no namerimberenana azy. Fa ny an’i Kristy kosa , rehefa natao indray mandeha dia mahavita miantoka ny fiainantsika haharitra mandrakizay .

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM