Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Febroary 2017

Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo

 Jeremia 1.4-10
4 Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 5 Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena. 6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza. 7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. 8 Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah. 9 Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko, 10 ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.

Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo

 Jeremia 1.4-10

Miantso  ny olona  ho vavolombelony ny Tompo

 

.

1-Izy  no namolavola  olona ho vavolombelony (and 5)

Amin’ny alalan’ny teniny  izay miantefa amintsika no handraisana ny antsony . Hoy indrindra Jeremia hoe : « Tonga tamiko  ny Tenin’i Jehovah (and4). Hevero ange izao Tenin’ny Tompo izao : « …mbola tsy noforoniko tao an-kibon-dreninao akory ianao dia efa fantatro , ary mbola tsy teraka  akory ianao dia efa natokako  hanompo Ahy  … »(DIEM). Tsy kisendrasendra  akory araka izany ny fifidianany antsika ho vavolombelony , fantany avokoa ny momba antsika rehetra hatrany am-pamoronana .

2-Izy  no mampijoro ho vavolombelony (and7)

Matetika  ny olona tena voaantson’ny Tompo  hanao  ny asany dia ahatsiaro  ho malemy  sy tsy hahavita . Toy izany koa no nahazo an’i Jeremia ka  nilazany hoe : « Indrisy Jehovah Tompo ô , indro  tsy mahay  mandahanteny aho, fa mbola zaza (and6) . Toky  no omeny  fa Izy  ihany  no manendry  ny vavany  hiteny  izay rehetra holazaina sy  mampanao izay rehetra anirahana , ary manome fahefana « hanongotrasy hanjera , hanapotika sy handrava ary hanorina sy hamboly «  (and10). Sahia, ary aza matahotra na menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo .

Fanontaniana :

Tsaroanao ve ny fotoana nandraisanao ny antson’ny Tompo ?

Birao Birao Sekoly Alahady FOIBE