Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Febroary 2017
Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo
Genesisy 17.1-8
1 [Ny nanovan'Andriamanitra ny anaran'i Abrama mivady, sy ny nanendreny ny fora ho famantarana ny fanekena nataony taminy, ary ny amin'ny hahaterahan'Isaka] Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao. 2 Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra. 3 Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe: 4 Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro ianao. 5 Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro ianao. 6 Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao. 7 Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho. 8 Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho.Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo
Genesisy 17.1-8
Manome fampanantenana ho antsika ny Tompo
Manambara ny momba ny tenany amin’izay antsoiny Andriamanitra ka manao fanekempihavanana aminy . Ny fiantsoany an’i Abrama dia mampiseho amintsika fa mampanantena fitahiana ho an’izay voaantso Izy vavolombelon’ny fanekeny . Ireto no nampanantenainy an’i Abrahama raintsika ara-pinoana .
1-Taranaka (and2,5,6)
Ho Rain’ny firenena maro izy (and4). Ny dikan’ny anarana hoe : Abrahama dia : « rain’ny maro » ka dia ho maro araka izany ny taranany ary hisy mpanjaka hiseho avy ao aminy (and6) : haharitra mandrakizay ny fanekeny , araka ny nambarany hoe : « Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao… »(and7). Nino izany Abrahama na dia efa antitra aza.
2-Tany (and8)
Hatrany am-pahariana dia tsy afa-misaraka amin’ny tany ny fiainan’ny olona . Eto dia mampanantena an’i Abrama Andriamanitra fa homeny azy sy ny taranany ny tany Kanana . An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo Aminy (Sal 24.1) , omeny tany izay rehetra antsoiny . Ny fahatanterahan’izany kosa dia mitaky fepetra araka izay nambaran’ny Tompo taminy hoe : »mandehana eo anatrehako , ka aoka ho tsy misy tsiny ianao « (and1).
Fanontaniana :
Nahoana no lasan’ny vahiny ny ankabeazan’ny tanintsika ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM