VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Mofonaina anio: Talata, faha 07 Febroary 2017

VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO

MARKA 14. 43-52
43 Ary niaraka tamin'izay, raha mbola niteny Izy, dia avy Jodasy, isan'ny roa ambin'ny folo lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona. 44 Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka. 45 Ary rehefa tonga izy, dia nanatona an'i Jesosy niaraka tamin'izay ka nanao hoe: Raby ô! dia nanoroka Azy izy. 46 Ary ny olona naninjitra ny tànany taminy ka nisambotra Azy. 47 Ary ny anankiray tamin'izay teo anilany nanatsoaka ny sabany, dia nikapa ny mpanompon'ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny. 48 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? 49 Teo aminareo isan'andro Aho an-kianjan'ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina izao. 50 Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra. 51 Ary nisy zatovo anankiray nanaraka Azy, ka lamba hariry madinika fotsiny ihany no nitafiany, ary nosamborin'ny olona teo izy. 52 Dia navelany teny aminy ny lambany hariry madinika, ka nandositra nitanjaka izy.

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

MARKA 14. 43-52
Nanaiky hosamborina i Jesoa

Vavolombelon’ny fanekena ataon’ny Tompo   amintsika   izao faneken’i Jesoa hosamborina sy hohelohina izao  .

1-Ny olona akaiky ihany   no namadika  Azy (and43,44 ,45)

Fihetsika feno fihatsarambelatsihy  no netin’i Jodasy namadihana  ny Tompo  tamin’ny fitenenany  manao hoe : « Raby » izy midika  hoe : « mpampianatra hajaina ». Mampieritreritra  fatratra  antsika  izay efa mpanara-dia ny Tompo ny toe-javatra  toy izao . Indraindray  tokoa mantsy  dia ny olona  izay heverina  fa tokony   ho mpitarika   ao amin’ny fiangonana indray   no lasa lehiben’ny mpanohitra  ka misakana ny Filazantsara . Nanaiky  hosamborina i Jesoa  , ny mpianatra  rehetra  kosa nandao  Azy …(and50) .

2-Ho  fahatanterahan’ny Soratra masina (and49)

Nasehon’i Jesoa  tamin’ireo  mpiambina izay nisambotra  Azy  fatsy  nilaina   akory   ny  nitondra fitaovam-piadiana  satria tsy jiolahy Izy (and48). Efa  voatendry mialoha izay rehetra hisehp momba Azy . Koa  dia vavolombelon’ny fahatanterahan’izay  rehetra voalaza  ao amin’ny Soratra masina izao fanekeny izao mba ho fampihavanana  antsika amin’ Andriamanitra . Ny hafatra  ho antsika  amin’izany dia ny fanekena sy fankatoavana izay rehetra ambaran’ny Soratra masina.

Fanontaniana :

Vonona ve isika ny hijoro ho vavolombelon’ny Tompo ka tsy handao Azy ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM