VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
Mofonaina anio: Talata, faha 14 Febroary 2017
VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO
EKSODOSY 19.3-6
3 Ary Mosesy niakatra ho ao amin'Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin'ny taranak'i Jakoba sy hambaranao amin'ny Zanak'Isiraely: 4 Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho at? amiko. 5 Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra. 6 Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
EKSODOSY 19.3-6
Manao ny fanekeny amintsika Andriamanitra
Rehefa niala tany Egypta ny Zanak’ Israely tonga tany anefitra tandrifin’ny tendrombohitr’i Sinay .Niantso an’i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra Jehovah mba hanambarany ny fanekem-pihavanana . Izany dia mba :
1-Ho vavolombelon’ny teny fampanantenany
Fony niandry Mosesy , dia niseho taminy ny Tompo ka niantso azy hitondra ny Zanak’ Israely hiala any Egypta . Hoy ny teniny tamin’izay : « …Dia hanao fanompoam-pivavahana Amiko eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo » ( Eks 3.12 DIEM). Tanteraka teto izany fampanantenana izany . Tsy izay tsy ho tanteraka izay rehetra nampanantenain’ny Tompo . Efa nampanantena Izy fa hamonjy sy hanafaka amin’ny fahotana . Tanteraka ho antsika izany fanekem-pihavanana vaovao izany tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy .
2-Hahatonga antsika ho voatokana ho Azy (and5,6)
Tonga « vahoaka voafidy , fanjaka-mpisorona ho Azy ho an’ Andriamanitra izay rehetra anaovany fanekena (1 Petera 2.9-10) . Sarobidy eo anatrehan’ Andriamanitra isika . Izany no antony namonjeny antsika . Voatokana hanao ny sitrapony sy hanompo Azy isika . Tombotsoa lehibe ananantsika mihoatra noho ny olona rehetra izany . Koa aoka isika handeha miendrika izay efa niantsoany sy nanavotany antsika ho vavolombelon’ny fanekeny .
Fanontaniana :
Hanao inona no antony nifidianan’ny Tompo anao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM