VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
Mofonaina anio: Alarobia, faha 15 Febroary 2017
VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO
Salamo 105.7-15
7 Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany. 8 Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby, 9 Eny, ilay nataony tamin'i Abrahama, Sy ny fianianany tamin'Isaka; 10 Izay naoriny ho lalana ho an'i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely, 11 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin'ny famolaina, 12 Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao, 13 Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa, 14 Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe: 15 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
Salamo 105.7-15
Ankalazao ny Tompo Andriamanitsika
Ity Salamo ity dia Salamo izay natokana hiderana an’ Andriamanitra . Mitodika amintsika rehetra ny hafatra « … dia ianareo olom-boafidiny »…(and 6)
1-Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy (and8)
Tsaroany hatrany ny fanekem-pihavanany dia ny fampanantenana izay nataony ho an’ny taranak arivo mifandimby . Tanisaina eto izay nataony tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba mba ho vavolombelon’ny fanekem-pihavanana izay nataony amin’ny olom-boafidiny (and 8,9,10). Ny fanomezany ny tany Kanana (and11)izay tandindon’ny fanomezany antsika fiadanana maharitra mandrakizay ,ary ao amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy no fahatanterahan’izany ho antsika .
2-Mitantana ny fiainantsika Izy (and 12,13,14,15)
Làlan-davitra sy sarotra no nitantanany ny vahoakany : tao ny fotoana nivahinianana nitety firenena maro (and12) , ny fitsapana samihafa … Nitantana azy tamin’izany ny Tompo sady niaro azy ka tsy namela ny hafa firenena sy ny mpanjaka hamely azy . Raha mitodika amin’ny lasa isika dia hahatsiaro fa Izy no nitantana sy niaro antsika tsy ho azon’ny loza sy ny fahavalo . Ary mbola mitantana antsika hatrany Izy amin’ny andro rehetra ivahiniantsika ety an-tany mandra-podiantsika ho any Aminy .
Fanontaniana:
Afaka hijoro ho vavolombelona ve ianao fa mitantana ny fiainanao Izy ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM