VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 16 Febroary 2017
VAVOLOMBELON'NY FANEKENY NY TOMPO
Nomery 10.31-36
31 Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay at? an-efitra, ka dia ho masonay ianao. 32 Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon'i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa. 33 Dia niainga niala tany an-tendrombohitr'i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an'ny olona. 34 Ary ny rahon'i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin'ny niaingany niala tamin'ny nitobiany. 35 Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao. 36 Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin'ny Isiraely tsy omby alinalina.VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO
Nomery 10.31-36
Fiangonana vavolombelon’ny fanekena
Ny Israely dia nantsoina koa hoe: Fiangonana , vahoakan’ Andriamanitra nanaovany fanekem-pihavanana . Ny maha- izy azy ny Fiangonana dia noho izy :
1-Fiangonana misokatra ho an’ny hafa
Tany anefitra ny Zanak’Israely amin’izao tantara izao , ary miomana ny hanainga indray . Ankoatra azy ireo dia nisy olona avy amin’ny firenen-kafa koa nomba azy (Jereo Eks 12.38) ary anisan’izany Hobaba Midianita . Niangavy an’i Hobaba i Mosesy mba hiaraka aminy ho mpitari-dàlana , ary nampanantena azy koa fa hanome anjara ho azy amin’izay zava-tsoa nampanantenain’ny Tompo ho an’Israely . Misokatra ho an’ny rehetra ny Fiangonana . Andraikitra miandry ny Fiangonana ankehitrinty ny tsy hamihina ny soa ho an’ny tenany samirery fa hanao Tafika masina ho famonjena ny hafa .
2-Fiangonana manaiky hotarihan’ny Tompo
Ny fiaran’ny fanekena no endriky ny fanatrehan’ Andriamanitra ny vahoakany . Rehefa hanainga ny fiaran’ny fanekena dia hoy i Mosesy: »Misandrata Andriamanitra ô. Aoka hiparitaka ny fahavalonao..« .(and35,36). Isika dia manaiky an’i Jesoa ho lohan’ny Fiangonana . Atombohy amin’ny vavaka izay atao rehetra . Ekeo ny fitarihan’ny Fanahy masina .
Fanontaniana:
Isaky ny fotoana inona no manao Tafika masina ianareo?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM