Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 28 Febroary 2017

Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo

JAONA 7.37-39
37 Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. 38 Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. 39 Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; fa ny Fanahy* tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny. [* Na: Fanahy Masina]

Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo

 

JAONA 7.37-39

Jesoa no rano  velona mahafaka hetaheta

Na eo  aza ny rano  sotroina isanandro dia mihatra  amin’ny olona rehetra  kosa ny hetaheta ara-panahy . Zavatra telo no ambaran’i Jesoa  ho anao anio .

1-Mahatsiarova ho mangetaheta

Tsy hitady rano  ny olona raha  tsy  mahatsiaro  ho mangetaheta , tsy  hahatsiaro  hitady  an’i Jesoa   ny olona raha  tsy mahatsiaro  tena ho mpanota . Ilay mpamory  hetra nandeha  tany amin’ny Tempoly mba hivavaka  dia nanao  hoe : « Mamindra fo amiko  mpanota » . Mahatsiarova  tena! .

2-Aoka  hanatona ny rano

Rehefa  nahatsiaro  ho  namadika  Rà marina i Jodasy dia tsy  nanatona  an’i Jesoa  mba hibebaka izy fa namoy fo ka lasa namono tena . Tsy ampy  ny fahatsiarovana  fotsiny ho mangetaheta  kanefa tsy  misy ezaka  atao . Tahaka  izany  ireo olona  izay  mahalala  fa tena  ilaina ny mandeha  miangona  any am-piangonana kanefa  tsy  manetsika ny tongony akory .

3- Misotroa!

Rehefa  nasain’ Andriamanitra  hikapoka ny vato i Mosesy  dia nivoaka  ny rano   ho an’ny olona  izay nangetaheta . Raha sendra  tsy nisotro  izany kosa ny olona dia hangetaheta ihany izy na dia efa eo aza  ny rano . Hoy i Jesoa : « izay   mino Ahy   dia hisy onin’ny rano velona  hiboiboika  avy ao an-kibony »(and38).

Fanontaniana :

Aiza ho aiza  amin’ireo dingana ireo  no misy anao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM