VAVOLOMBELON’NY    FANDRESENA    IANAO

Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Aprily 2020

1Korintiana 15,50-58

1Korintiana 15,50-58
1 [Ny amin'ny fitsanganan'ny maty] Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo,

VAVOLOMBELON’NY    FANDRESENA    IANAO

Ity Mofonaina anio ity dia iresahan’i Paoly ny amin’ny fahafatesana. Tsy ny fahafatesana amin’ilay atahoran’ny olona fa ny amin’ny fandresena ny fahafatesana. Ambaran’i Paoly,izay manoratra ity epistily ity,fa toy ny fanindronana misy poizina ny fahafatesana(and.55-56),ary avy amin’ny fahotana no nahazoana izany poizina izany. Noho ny lalàna dia nanjary nanan-kery ny ota,araka ny voalazan’i Paoly,”Kanefa  tsy nahalala ota aho,raha tsy tamin’ny lalàna”(Romana 7,7b).

Izany no tsy maintsy isaorantsika an’Andriamanitra fa navotany tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika. Ary tonga tahaka ireny olona tsy nanota sy tsy nanao na inona na inona ireny (Vakio Romana 3,21-24). Ny fitsanganan’i Jesoa tao amin’ny fitoeran’ny maty ka nandreseny ny fahafatesana no sehatra nanatanterahany  izany famonjena izany. Indro isika tonga vavombelon’izany asany izany , satria navotany maimaimpoana ary tokony hiderana sy hankalazana Azy indrindra izany .

Fanontaniana:

Inona no efa nataonao nahitana fa vavolombelona maneho ny famonjen’I Kristy ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM