Vavolombelon’ny fananarany ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 02 Martsa 2017

Vavolombelon'ny fananarany ny Tompo

EFESIANA 5.8-21
8 Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava 9 (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana), 10 mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo. 11 Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany. 12 Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza. 13 Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava. 14 Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy. 15 Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, 16 ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. 17 Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo. 18 Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy, 19 ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo, 20 misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, 21 sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy,

Vavolombelon’ny fananarany ny Tompo

EFESIANA 5.8-21

Ny mpino  mandresy  ny aizina

Paoly Apostoly  eto no manoratra , mananatra ny mpino  kristiana mba tsy  ho latsaka ao  anatin’ny aizina indray. Efa nandray  ny mazava  ny kristiania  ka tokony  hiaina araka izany fahazavana tao amin’i Jesoa Kristy  izany .

1-Miaina  amin’ny fiainana miavaka

Aseho  eto ny anjara toerana  misy ny mpino. Ny olona mifandray amin’ Andriamanitra dia manana  toetra tena miavaka tokoa raha oharina  amin’ny olon’izao tontolo izao . Efa nandray  Ilay Mazava  ka tonga zanaky  ny mazava . Mandresy  ny aizina  noho izany  tsy  mandeha  amin’ny fiainan’izao tontolo izao  intsony . Mizotra ho amin’ny fahazavana mandrakariva . Taomina  àry isika  mba handeha  amin’ny fiainan’ny zanaky ny mzava ka handresy ny asan’ny maizina mandrakariva.

2-Mitondra fahazavana ho an’ny hafa

Mbola  maro  ireo sokajin’olona voafatotry  ny asan’ny maizina . Anarina  sy ampirisihana araka izany  ny zanaky ny mazava  mba haneho eo  amin’ny fiainany ny fahazavana  noraisiny mba hanazava sy hanafaka  ireo sokajin’olona mbola voafatotry  nyb aizina . Raha mijoro  ho tena fahazavana tokoa mantsy  isika kristiana efa nandresy ny aizina  dia ho maro  ireo hahita ny mazava  ka handray ny famonjena  ao amin’i Jesoa Kristy , Ilay nanendry antsika ho  fahazavan’izao tontolo  izao .

Fanontaniana:

Nahoana no misy ny mpino kristiana tsy afaka mijoro ho vavolombelon’ny fahazavana noraisiny ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE  FJKM