VAVOLOMBELON’NY FANANARANY NY TOMPO .
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Martsa 2017
VAVOLOMBELON'NY FANANARANY NY TOMPO .
Efesiana 6.1-9
1 Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany. 2 Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana), 3 mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16). 4 Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy. 5 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany, 6 tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo, 7 amin'ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona, 8 satria fantatrareo fa izay soa ataon'ny olona rehetra no horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy. 9 Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan'olona aminy.VAVOLOMBELON’NY FANANARANY NY TOMPO .
Efesiana 6.1-9
Kristiana mifandray amin’ny hafa
1-Aoreno tsara ny fifandraisana ao an-tokantrano
Ny fifandraisana misy eo amin’ny ankohonana ao an-tokantrano no itondran’i Paoly Apostoly fananarana eto.Tiany mba hilamina sy hirindra tsara izany . Endriky ny fifandraisan’ Andriamanitra sy ny olony izany . Ny olona miroso ho amin’ny fanompoana ny Tompo dia maneho fahavononanan hiaina amin’ny fankatavana ny ao anatin’ny ankohonana misy azy . Tsarovy fa fototra iray mitondra fitahiana ny firindran’ny fifandraisana ao anatin’ny tokantrano kristiana . Kajio fatratra ao anatin’ny fifampifehezana izany fifandraisana izany .
2-Aoreno tsara ny fifandraisana eo amin’ny asa
Tsy afaka miala ao amin’ny tontolon’ny fiaraha-monina sy ny asa ny mpino kristiana. Resahina eto noho izany ny fanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny tontolon’ny asa . Manana ny lanjany lehibe eo anatrehan’ Andriamanitra ny asa sy ny olona manao ny asa . Anarina sy omena toro-marika ny mpino mba hanao tsara ny asany amin’ny fitiavana sy ny fahitsian’ny fo . Tarihana ny saina mba hihevitra fa ny asa rehetra atao dia toy ny atao ho an’ Andriamanitra . Mpanao ny tsara Andriamanitra ka tokony hanahaka Azy ny tena zanany . Tarihana hiaina amin’ny fifanajana sy ny fankatoavana ny mpino , ny mpampiasa sy ny mpiasa. Endriky ny fankatoavana sy ny fanajana ny Tompo izany .
Fanontaniana
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM