VAVOLOMBELON’NY FANANARANY NY TOMPO

Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Martsa 2017

VAVOLOMBELON'NY FANANARANY NY TOMPO

Ohabolana 4.1-9
1 [Fananarana hikatsaka ny fahendrena tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy] Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara. 2 Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko. 3 Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana* no hany malala teo imason'ineny.[Heb. malemilemy] 4 Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao. 5 Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako. 6 Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao. 7 Ny voaloham-pahendrena dia izao*: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.[Na: Fahendrena no ambony indrindra] 8 Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao. 9 Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.

VAVOLOMBELON’NY FANANARANY NY TOMPO

Ohabolana 4.1-9

Fananarana avy  amin’ny olon-kendry

1-Tandremo  ny didin’ Andriamanitra

Ny olon-kendry no mampita  toro-marika , fananarana  ho an’ny zananny mba hahatonga azy ireo  hiaina amin’ny fahendrena . Zava-dehibe ho an’ny taranaka fara mandimby  tokoa mantsy  ny fananana fahendrena . Fototra iray nahazoany  fahendrena  ny fampiharana ny fampianarana nomen’ny Ray aman-dreniny . Tsy misalasala milaza sy mampita  izany izy . Raha  mandray sy mirakitra ao ampo  ny fampianarany omeny  ny zanaka  dia handeha  tokoa aamin’ny fahendrena marina . Tsarovy   fa ny Tenin’ Andriamanitra  no tena loharanom-pahendrena . Raha  manaraka sy mitandrina  izany  isika dia hanana fahendrena .

2-Vokatry  ny fananana fahendrena

Manan-danja  noho  ny harena  sy ny zavatra rehetra ny fananana fahendrena . Tsara fiarovana , mahazo anjara  toerana  manokana  ao anatin’ny fiaraha-monina izay manana  ny fahendrena . Amporisihana hikatsaka izany ny olona . Tsy azo  mora foana  anefa izany fa mila fahafoizana izay rehetra ananantsika . Tsarovy  fa i Jesoa Kristy no hery   sy fahendren’ Andriamanitra . Raha manana an’i Jesoa Kristy  isika  dia hanana  ny fiainana tena miavaka.