Vavolombelona toy inona no isafidiananao?

Mofonaina anio: Alarobia, faha 15 Aprily 2020

1 KORINTIANA 15.12-23

1 KORINTIANA 15.12-23
12 Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin'ny maty, ahoana no ilazan'ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan'ny maty? 13 Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; 14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. 15 Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an'i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy. 16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; 17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo; 18 dia very koa izay efa nodimandry ao amin'i Kristy. 19 Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika. 20 Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin'ny maty tokoa Kristy ho santatr'izay efa nodi-mandry. 21 Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty. 22 Fa tahaka ny ahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no ahaveloman'ny olona rehetra kosa ao amin'i Kristy. 23 Nefa samy amin'ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an'i Kristy amin'ny fihaviany.

Vavolombelona toy inona no isafidiananao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM