Vavolombelona mitondra fanavotana

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 11 Aprily 2020

EKSODOSY 12.1-13

EKSODOSY 12.1-13
1 [Ny Paska, sy ny loza fahafolo, izay nahafaty ny lahimatoa rehetra teo Egypta] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe: 2 Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy. 3 Mitenena ianareo amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak'ondry iray avy no ho an'ny isan-trano; 4 ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak'ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan'ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak'ondry. 5 Zanak'ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny ondry na amin'ny osy izy; 6 ary hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra. 7 Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny trano izay hihinanany azy. 8 Dia hohaniny amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy. 9 Aza hanina manta na voahandro amin'ny rano izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny. 10 Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo. 11 Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan'i Jehovah. 12 Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah. 13 Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.

Vavolombelona mitondra fanavotana

Rehefa nifanesy ny loza sivy nataon’Andriamanitra teo anatrehan’ny Egyptiana , dia tonga amin’ny fotoanan’ny loza fahafolo eto ny tantara .Andro iray mialoha ny Paskan’i Jehovah ity tantara miseho ity .

Hamakivaky ny tany Egypta Andriamanitra amin’izany alina izany ka hamono ny matoa rehetra amin’ny tany Egypta ho fanehoany amin’ny fahavalony fa Andriamanitra tsy azo vazivaziana Izy. Isaky ny misy loza miseho mantsy dia manaiky handefa ny Zanak’ Israely i Farao mpanjakan’i Egypta , nefa niova hevitra hatrany . Rehefa handalo Andriamanitra dia hisy famantarana hojeren’ Andriamanitra eny amin’ny tolam-baravarana rehetra izay misy ran’ny zanakondry dia lalovany fotsiny .

Ny ran’ny zanakondry dia marika ho an’ny olona voavonjy . Vavolombelona mitohaka amin’ny tendany , hoy ny fitenintsika Malagasy . Ny Ran’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana no vavolombelona fa mandova ilay famonjena isika . Ka efa ahitana izany ve isika ? (Rom 5.9)

Fanontaniana :

Efa manana ilay marika ny Ran’i Kristy ve ianao ho vavolombelona fa olony ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM