Vavolombelona miova hevitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 13 Aprily 2020

MATIO 28.11-15

MATIO 28.11-15
11 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanana ka nilaza tamin'ny lohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho. 12 Ary rehefa niangona izy mbamin'ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila 13 ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy raha sendra natory izahay; 14 ary raha misy milaza izany amin'ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo. 15 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin'ny Jiosy mandraka androany.

Vavolombelona miova hevitra

Voalaza eto amin’ity Perikopa ity fa nisy mpiambina ny fasana izay nahita ny zavatra nitranga teo amin’ny fasana ka nahafantatra ny fitsanganan’ny Tompo .

-Niova tamin’ireo vehivavy ny nataony . Lasa nankany an-tanàna nilaza ny vaovao .

-Nahavery hevitra izay nilazany izany vaovao izany ny tantara nataony

-Nomen’ny loholona vola izy ireo hanova ny vaovao izay hitany

-Nijoro ho vavolombelona hampanaiky izay lainga holazainy ny loholona

-Nekeny ny handray vola hampanjaka ny lainga ataony .

Voavidy vola ny marina ka mahatonga ny vavolombelona hanova ny marina ho lainga , ka ilay Zanaky ny marina nodisoiny no nahatonga azy ireo ho zanaky ny rain’ny lainga (vakio Jao 8.44).

Ny lainga dia tsy maintsy mila lainga hafa hanamarinan’ny vavolombelona mpandainga azy , satria ny fahamarinana dia tsy mila hamarinina . Hitantsika eto fa hijoro vavolombelona mpandainga ny loholona raha hiatrika ny Governora ny mpiambina izay mandainga . Mitombo ny fatotra mahazo ny vavolombelona mandainga

Fanontaniana:

Efa nasehonao ve fa velona tokoa i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM