Vavolombelona miampita fanilo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Aprily 2020
FILIPIANA 4.8-9
FILIPIANA 4.8-9
8 Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany. 9 Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.Vavolombelona miampita fanilo
1-Manao izay efa nampianarina
Maro ny zavatra efa nampianarin’i Paoly sy nolazainy tamin’ny fiangonana ka miangavy azy ireo izy ankehitriny mba hanao izany . I Paoly amin’ity taratasy nosoratany ity , dia nampianatra zavatra maro ary anisan’izany ny fahononantena . Izy tenany mihitsy no manao ohatra amin’izay tokony hataon’ny kristiana . »Koa tomoera tsara ry rahalahy , ka hazony ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo na tamin’ny teninay na tamin’ny Epistilinay » (2 Tes 2.15). Ry havana , raiso ny fampianarana nataon’i Jesoa hahatonga anao ho vavolombelona hahatafita hafatra (vakio Jao 20.21) .
2-Manao izay efa re sy hita
Nianarana , noraisina , re, hita , hoy i Paoly . Izany hoe: ny fampianarana nataon’i Paoly dia tamin’ny fomba maro samihaga mihitsy , ary efa nampitaina taminn’y fomba rehetra hahazoan’ny kristiana hahazo toky tsara izay nampitaina taminy . Tsy hajanona ho azy ireo ihany anefa fa tokony hampitainy . Atao ahoana no fahay raha tsy misy mampianatra , hoy ilay Tandapa Etiopiana(Asa 8.31) .Koa efa nandre isika ka tokony tsy hitahiry fa hanapariaka izany aminn’y hafa. Ry havana , Jesoa no efa nanoro hevitra antsika : »Fianarana no omeko anareo , mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo » (Jao 13.15)
Fanontaniana:
Inona no efa renao ka nozarainao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM