Vavolombelona manamarina

Mofonaina anio: Zoma, faha 10 Aprily 2020

ISAIA 53.7-12

ISAIA 53.7-12
7 Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak'ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan'ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy. 8 Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy*; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra** fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy? [*Na: Nalaina niala tamin'ny fampahoriana sy ny fitsarana Izy][**Na: Ary iza no nihevitra izay ho taranany?] 9 Ary nokasaina hatao tao amin'ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin'ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina)*, na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. [Na: Sy ho eo amin'ny mpanankarena, rehefa novonoina Izy] 10 Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka* sady ho maro andro, ary ny sitrapon'i Jehovah dia hambinina eo an-tànany. [Na: Rehefa ataonao fanati-panonerana ny ainy, dia hahita taranaka Izy] 11 Noho ny fisasaran'ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy* no hanamarinan'ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok'ireo. [Heb.fahalalany] 12 Koa dia hanome Azy anjara amin'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin'ny mahery Izy*; Satria naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan'ny maro sady manao** fifonana ho an'ny mpanota. [*Na: dia homeko Azy ny lehibe ho anjarany sy ny mahery ho anjara-babony][**Na: nanao]

Vavolombelona manamarina

1-Nitondra fahotana (and2)

Raha mamaky ny voalazan’ny Levitikosy 19.21-22 isika dia hahita fa misy ny fanatitra noho ny fahotana aterin’ny olona eo anatrehan’Andriamanitra .Eto dia ilay mpanompon’i Jehovah no ambara fa atolotr’Andriamanitra hitondra ny fahotan’ny maro .Izy no vavolombelona manambara fa tena manavotra ny maro Andriamanitra . Jesoa Kristy no Ilay nitondra ny fahotan’ny maro araka ny voalazan’ny Matio 8.14-17.

2-Nifona ho an’ny mpanota (and2)

Raha mihevitra ny teny hoe: « mifona isika » dia tonga ao an-tsaina ny hoe: « misolo vava » . Satria ny mitondra fifonana dia mitondra fitenenana ho an’ilay voampanga , ary izany rahateo no hitantsika eto. Ilay Mpanompon’i Jehovah no misolo vava ny mpanota , izay tsy mendrika hiatrika an’Andriamanitra akory noho ny fahotany .Dia indro afaka mijoro ho toy ireny tsy nanota ireny isika satria nisy nisolo vava sy nifona . Jesoa Kristy , Ilay nisolo vava antsika ao amin’ny Ray araka ny voalazan’ny 1 Jao 2.1.

Fanontaniana :

Vonona haneho fiainam-baovao feno fahamasinana ve ianao noho izao famonjena azonao izao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM