Vavolombelona mahatoky  ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 19 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky  ny Tompo

1 Samoela 20.9-15
9 Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan'ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany. 10 Dia hoy Davida tamin'i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay teny sarotra havalin-drainao anao*? [Na: Iza anefa no hanambara amiko, raha tahìny mamaly sarotra anao rainao] 11 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Andeha ary isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy. 12 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an'i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao, 13 dia hataon'i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain'ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin'ny raiko anie Jehovah. 14 Ary raha mbola velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran'i Jehovah mba tsy hahafaty ahy? 15 Ary tsy hesorinao amin'ny taranako koa ny famindram-ponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay handringanan'i Jehovah ny fahavalon'i Davida rehetra tsy ho et? ambonin'ny tany.

Vavolombelona mahatoky  ny Tompo

1 Samoela 20.9-15

1-Manamafy  orina  ny fanekena atao Izy

2-Manatrika amin’ny toerana rehetra Izy

3-Loza  ho an’ny mpivadika ny maha- vavolombelona

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM