Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Matio 17.1-9
1 Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana. 2 Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava. 3 Ary, indreo, niseho tamin'ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin'i Jesosy. 4 Dia niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia. 5 Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy. 6 Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra. 7 Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra. 8 Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany. 9 Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin'olona ny fahitana, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Matio 17.1-9

Mahatoky ny Tenin’ Andriamanitra

Tenin’ Andriamanitra.

1-Manomboka amin’ny Soratra masina izany

2-Mihoatra lavitra noho ny fahagagana ny fahitana izany .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM