Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Apokalypsy 1.4-8
4 Jaona mamangy ny fiangonana* fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin'ny Fanahy fito izay eo anoloan'ny seza fiandrianany; [* Gr. eklesia] 5 ary avy amin'i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany. Ho an'izay tia antsika ka namaha* antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny ràny, [* Gr. nanasa] 6 sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an'Andriamanitra Ray,- ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. 7 Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena. 8 Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Apokalypsy 1.4-8

Jesoa Kristy  vavolombelona marina

1-Mpitondra fahasoavana  sy fiadanana

2-Tia  sady manafaka antsika

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO

Alahady, 1 Janoary 2017

VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO Deot.7 :9-16 Ny fitondran’Andriamanitra ny  olom-boafidiny. 1 .Mahatsiaro ny teny nataony Andriamanitra(and.8) : 2.Tsy…

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Zoma, 20 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky ny Tompo Matio 17.1-9 Mahatoky ny Tenin’ Andriamanitra Tenin’ Andriamanitra. 1-Manomboka amin’ny Soratra…

Vavolombelona mahatoky  ny Tompo

Alakamisy, 19 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky  ny Tompo 1 Samoela 20.9-15 1-Manamafy  orina  ny fanekena atao Izy 2-Manatrika amin’ny…