Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 22 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Hosea 12.1-7
1 [Fananarana ny Isiraely noho ny helony] Efraima manodidina Ahy amin'ny lainga, ary ny taranak'Isiraely amin'ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an'Andriamanitra, dia ny Iray Masina sy Mahatoky. 2 Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin'ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta. 3 Manana ady amin'i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an'i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony. 4 Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin'Andriamanitra; 5 Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika; 6 Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy. 7 Koa miverena amin'Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva.

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Hosea 12.1-7

« Koa miverena amin’ Andriamanitra ianao » (and7)

Miverena fa toky  ifaharantsika ny Tompo

1-Miverena na dia  manao  hadalana

2- Miverena  na dia efa  voakapoka  noho ny hadalana

3-Miverena na dia  efa  nifona nefa namerina ihany

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM