Vavolombelona mahatoky ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Janoary 2017
Vavolombelona mahatoky ny Tompo
Jaona 5.19-23
19 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; fa na inona na inona no ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka. 20 Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon'ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo. 21 Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman'ny Zanaka izay tiany. 22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, 23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.Vavolombelona mahatoky ny Tompo
Jaona 5.19-23
Vavolombelona amin’ny tenany i Jesoa
1-Ambarany fa iray ihany Izy sy ny Ray amin’ny asany
2-Ambarany fa manana andraikitra manokana Izy .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM