Vavolombelona mahatoky  ny Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 24 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky  ny Tompo

Isaia 46.3-7
3 Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay sisa rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka: 4 Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka. 5 Hampitovinareo amin'iza moa Aho, sy amin'iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko? 6 Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany. 7 Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany.

Vavolombelona mahatoky  ny Tompo

Isaia 46.3-7

Mahatoky sy tsy miova ny Andriamanintsika

1-Manasa antsika hihaino Azy Izy

2-Mahatoky amin’ny famonjeny Izy

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO

Alahady, 1 Janoary 2017

VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO Deot.7 :9-16 Ny fitondran’Andriamanitra ny  olom-boafidiny. 1 .Mahatsiaro ny teny nataony Andriamanitra(and.8) : 2.Tsy…

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Alatsinainy, 23 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky ny Tompo Jaona 5.19-23 Vavolombelona amin’ny tenany i Jesoa 1-Ambarany  fa iray  ihany…

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Alahady, 22 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky ny Tompo Hosea 12.1-7 « Koa miverena amin’ Andriamanitra ianao » (and7) Miverena fa toky …