Vavolombelona mahatoky ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 25 Janoary 2017
Vavolombelona mahatoky ny Tompo
1 Jaona 5.18-21
18 Fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak'Andriamanitra, dia miaro ny tenany* ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. [* Na: Ilay naterak'Andriamanitra no miaro azy] 19 Fantatsika fa avy amin'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin'ilay ratsy avokoa. 20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 21 Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.Vavolombelona mahatoky ny Tompo
1 Jaona 5.18-21
Ny Zanak’ Andriamanitra
1- Mankahala fahotana (and 18-19 )
2-Miaro tena amin’ny sampy (and20-21)
Arovy ny tenanareo amin’ny sampy
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM